Facebook

 

Paroles et traduction de la chanson «Tahak'izay» par Poopy

Tahak'izay
J'aurais mieux fait

Toa tsy nanontany sady tsy niera akory izato ianao
Il semble que tu n'as même pas questionné ni demandé la permission
Eny tonga avy hatrany naka toerana nitoetra niorim-paka teo
Oui tu t'es installé de suite, tu as pris place et tu t'es enraciné
Dia niova ny fijery lasa teo ambeti-teny ny anaranao
Alors le regard a changé, ton nom se répétant sans cesse
Voabahanao ny fo nanjakanao koa ny loha dia nanaiky aho
Tu as envahi mon coeur, régné dans mon esprit alors je t'ai accepté
Iza moa no hanam-po ny tantarantsika roa tsy haharitra
Qui aurait pu penser que notre histoire ne durerait pas
Fa raha fantatra mialoha dia naleoko ihany aloha marimaritra
Mais si j'avais su avant, j'aurais vraiment préféré être plus raisonnable
Tsy nihevitra ny hoe ho zary nofy ihany anie izato ianao
Je n'ai pas songé que tu pourrais juste être un simple rêve
Ka tsy hitoetra fa handeha mbola handia lalan-davitra be
Qui ne resterait pas car tu partirais pour d'autres routes si lointaines

(Chorus) 2x
Tahak’izay aho tamin’iny tsy nibanjjina nijery ny masonao
J'aurais mieux fait ce jour-là de ne pas fixer ton regard
Tahak’izay aho mba nivily
J'aurais mieux fait de faire un détour
Tsy nandray ny tananao hamihina ahy
Ne pas prendre ta main qui me serrait
Raha tsy izany rehetra izany
Sans toutes ces choses
Dia ho foana ny fotoana niresahantsika roa
Nos discussions n'existeraient pas
Dia tsy ho revo anao
Alors tu ne m'aurais pas obsédée
Saingy indrisy hoy aho
Pourtant je me dis hélas
Tsy afaka hiverin-dalana aho
Que je ne peux revenir sur ma route

Toa tsy nisy teny tsisy ny fanazavana fa lasa ianao
Il n'y a même pas eu de mot ou d'explication lorsque tu es parti
Lasa toa nirenireny tsy nitombona taraina ny fanahiko
Alors c'est comme si mon âme s'était mise à errer sans cesser sa plainte
Dia ny nenina no sisa averimberina alin-kisa tsy hita ianao
Restent les regrets qui reviennent chaque nuit, tu as disparu
Manontany tena ihany fa nahoana no iafarany no toy izao
Je me demande tout de même pourquoi cela s'est terminé ainsi
Nisy ve ny hadisoako no toa lasa an-tsokosoko nandao ianao
Ai-je commis des erreurs pour que tu me quittes en cachette
Fa voaratranao ny foko feno sento sy toloko, marary aho
Tu as blessé mon coeur plein de soupirs et de tristesses, j'en souffre
Mitaraina koa ny saina valabalaka ny aina nilaozanao
Mon esprit se plaint aussi, je me sens si lasse depuis que tu m'as quittée
Saingy mitohy ny fiainana tsy afaka mijanona hiandry anao
Pourtant la vie continue, je ne peux pas rester ici à t'attendre

(Chorus)

Tahak’izay tsy nibanjjina anao
J'aurais mieux fait de ne pas fixer ton regard
Tsy nandray ny tananao
Ne pas prendre ta main
Tahak’izay aho mba nivily
J'aurais mieux fait de faire un détour
Tsy nandray ny tananao hamihina ahy
Ne pas prendre ta main qui me serrait
Raha tsy izany rehetra izany
Sans toutes ces choses
Dia ho foana ny fotoana niresahantsika roa
Nos discussions n'existeraient pas
Dia tsy ho revo anao
Alors tu ne m'aurais pas obsédée
Saingy indrisy hoy aho
Pourtant je me dis hélas
Tsy afaka hiverin-dalana aho
Que je ne peux revenir sur ma route

Tahak’izay tsy nibanjjina anao
J'aurais mieux fait de ne pas fixer ton regard
Tsy nandray ny tananao
Ne pas prendre ta main 2x
Raha tsy izany rehetra izany
Sans toutes ces choses
Dia ho foana ny fotoana niresahantsika roa
Nos discussions n'existeraient pas
Dia tsy ho revo anao
Alors tu ne m'aurais pas obsédée
Saingy indrisy hoy aho
Pourtant je me dis hélas
Tsy afaka hiverin-dalana aho
Que je ne peux revenir sur ma route

 
Publié par 1011 1 4 le 5 juin 2022 à 6h46.
Tahak'izay
Chanteurs : Poopy
Albums : Tahak'izay

Voir la vidéo de «Tahak'izay»

Dire «merci» pour cette traduction Corriger une erreur
 

Vos commentaires

Aucun commentaire pour le moment

Caractères restants : 1000